Fahasalamana

Fahasalamana Nanolotra fiara 10 ny Koreanina Tatsimo


  • Alarobia 10 Martsa 2021

Nanolotra fiara fitondrana marary na “ambulance” miisa 10 ONG Koreanina "African Future Foundation Madagascar"

 

 hanatsarana ny kalitaon’ny rafitra sy tolotra ara-pahasalamana ankapobeny eto Madagasikara. Tonga nanatrika ny fanolorana ofisialy izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis sy ny Masoivoho Koreana Tatsimo miasa eto Madagasikara, SEM Yongho Son. Nambaran'ny Ministra fa tsy amin’ny ady amin’ny COVID-19 irery ihany no hampiasana ireo "ambulance" ireo, fa haparitaka any amin’ireo distrika lavi-dàlana sy maro tranga-na lozam-pifamoivoizana, ary ho an’ireo hopitaly lehibe izay mbola tsy manana ahafahan’ny vahoaka misitraka izany. « Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka », izay no velirano faha-5 nifanaovan’ny filoham-pirenena tamin’ny vahoaka Malagasy, ary izao fampitaovana izao dia tohin’ny ezaka sy paikady apetraky ny Minisitera anatanterahana izany, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT