Fahasalamana

Fahasalamana Nankatoavina ny drafitr’asa fampivoarana hatramin’ny 2024


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Nankatoavina omaly Novolavolaina nanomboka ny Jolay 2019 sy nandalo fakan-

 

 

kevitra teny anivon'ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny teo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka dia nankatoavina omaly ny Boky mirakitra ireo drafitr'asa entina hampivoarana ny sehatry ny fahasalamana ho an'ny 5 taona manaraka na "PDSS 2020-2024". Nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny atrikasa fankatoavana teny amin’ny Panorama Andrainarivo ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Jean Louis Rakotovao Hanitrala. Tao koa ireo tale mpitantana ny hopitaly sy ny solotenan'ireo mpiara-miombon'antoka avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Nanatrika izao atrikasa fankatoavana izao tamin'ny alalan'ny "visioconférence" koa ireo tale-paritra ara-pahasalamana sy ireo tomponandraikitry ny fahasalamana eny anivon'ny distrika ary ireo mpiara-miombon'antoka mahazatra. Ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana amin'ny fandraisana mpiasan'ny fahasalamana vaovao, ny fanamafisana ny fahalalana sy ny traikefan'ireo izay efa am-perin'asa, ny fananganana fotodrafitr'asa sy fampitaovana azy ireny ary ny fanatsarana ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka sy ny kalitaon’ny fitsaboana no tanjona, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT