Fahasalamana

Fahasalamana Nanaovana fikaonan-doha siantifika ny tazomoka


  • Zoma 05 Novambra 2021

Nanomboka omaly ary hitohy anio etsy amin’ny CCI Ivato ny fikaonan-doha siantifika andiany fahatelo ho fanohizana ny ezaka hizorana mankany amin'ny famongorana ny tazomoka eto Madagasikara.

Tanjona amin’izany ny hifampizarana fahalalana sy traikefa amin’ireo mpisehatra eny ifotony amin’ny ady amin’ny tazomoka. Raha ho an’i Madagasikara manokana dia mbola betsaka ny olona no matin’ny tazomoka, ka fotoana hanatsarana ny paika entina miady amin’izany ny fisian’ny fikaonan-doha siantifika toy izao.
Natao ihany koa hamporisihana ireo mpikaroka ara-tsiansa mba hizara sy hampahafantatra ireo voka-pikarohana natao momba ny ady amin’ny tazomoka.
Ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombon’antoka aminy dia manao ny ezaka rehetra ny amin’ny famongorana tanteraka ny aretina toy ny tazomoka eto amintsika. Mandeha foana ihany koa ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny fiarovana indrindra fa rehefa miditra vanim-potoana fahavaratra, eo izany ny fanesorana ny lobolobo izay fieren’ny moka, ary indrindra fa ny fampiasana ny lay misy ody moka.Ny faritra amoron-tsiraka moa no tena ahitana betsaka ny tazomoka


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT