Fahasalamana

Fahasalamana Mitrosa ny 98%-n’ireo marary tonga manatona mpitsabo


  • Talata 24 Janoary 2023

Ny 30%-n’ny Malagasy ihany raha betsaka no manana fahafahana ny hitsabo tena eto amintsika.

Hiantohan’ny orinasa misy azy izy ireny raha sanatria tojo tsy fahasalamana fa ny ankoatra izay dia miaina amin’izay hita sy eo am-pelanana avokoa. Tsy mahazo marary araka izany ny 70% fa avy hatrany dia miandry azy ny fahafatesana raha toa ka tsy misy vola. Efa niakatra ho 30.000 Ar rahateo amin’izao ny mizaha fahasalamana eny anivon’ny dokotera tsy miankina, ho an’ny marary iray raha mbola hafa ihany koa ny vidim-panafody. Rehefa tena tojo tsy fahasalamana anefa dia tsy maintsy mandeha ihany. Lasa mitrosa ny 98%-n’ireo marary vokatr’izany, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Ankoatra ny gripa sy ny kohoka dia mahazo vahana tanteraka ny aretin-kibo vokatry ny fampiasana rano tsy azo antoka. Tsy fo vato ihany koa ireo mpitsabo sasany manoloana izany fa mitsabo maimaim-poana ihany indrindra fa ho an’ireo tena sahirana ara-pivelomana. Ho an’Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa dia nambarany fa tsy mora ny manampy ny mpiara-belona. Na dia efa tsy nampiakatra sara-pitsaboana aza mantsy izy ireo dia mbola misy hatrany ireo mifampiraharaha hahafahany mitsabo tena ka tsy maintsy raisina. Tsiahivina moa fa mitsabo amin’ny alalan’ny vokatra natoraly izy ireo ka ankoatra ny voankazo sy ny legioma dia mampiasa karazana ravin-kazo efa nanaovana fikarohana manokana ihany koa izy ireo.
Legende : Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT