Fahasalamana

Fahasalamana Mitombo isa ireo voan’ny diabeta


  • Zoma 13 Novambra 2020

Olona 01 amin'ny 11 no voakasiky ny aretina diabeta maneran-tany. Nahitana fiakarana izany ho amin`ity taona ity raha ny tatitra avy amin`ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka (MIN SAN):

 

 

 miisa 422 tapitrisa ireo olon-dehibe voany; 3,7 tapitrisa ireo namoy ny ainy ka nahitana tahan-tsiramamy betsaka anaty rà; 1,5 tapitrisa no matin` ny diabeta. Raha ny eto amintsika eto Madagasikara manokana dia 4%n`ny mponina) no voakasika araka ny antontanisa voaray avy amin'ny Foibe miady amin'ny aretina tsy mifindra (DLMNT) eto anivon'ny MIN SAN. Anisan` ny aretina mila fanafody sy fitiliana tsy maintsy atao isan-andro tsy tapaka ny diabeta. Lafo ihany koa ny karazam-panafody handaminana ny diabeta ka mandany hatramin` ny 100 000 ariary isam-bolana ny olona iray ary mety ho avo roa na telo heny izany arakaraka ny tranga. Natokan` ny Sampandraharahan` ny Firenena Mikambana misahana ny fahaslamana (OMS) ho an` ny diabeta ny 14 novambra satria loza mitatao amin`ny mponina eran-tany io toe-batana io. Hita amin`ny fatran`ny siramamy ao amin`ny ra ny fahafantarana na diabetika na tsia ny olona iray.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT