Fahasalamana

Fahasalamana Miha mahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana


  • Alatsinainy 23 Septambra 2019

Ny aretin’ny taovam-pisefoana no nisongadina, nanomboka amin’ny sery madinidinika sy kohaka, tao anatin’ny ririnina, raha ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina, mpitsabo etsy Manjakaray.

 

 Ny fisorohana azy io moa dia ny fitoerana amina trano azon’ny rivotra sy tsy mando ary tsy misy vovoka. Tsy tokony ho be fanaka ny trano hatoriana satria kely rivotra ary ny voankazo sy legioma no tokony hameno ny sakafo. Ankehitriny isika manomboka miditra tsikelikely amin’ny andro mafana. Ady amin’ny moka sy tazo indray no miandry eto, hoy izy. Ny fanalana rano miandrona sy lobolobo, fampiasana lay, tena mety ilay fametrahana aro vy na “grille de protection” kely amin’ny varavarankely. Tokony hidina ny trano vao mamono jiro, hoy izy. Ankoatra izay, ny aretin-kibo sy fivalanana koa dia mpahazo rehefa miha mafana, hoy izy, ka mila tandremana ny fahadiovana. Hatreto aloha dia ilay kohaka sy tazo no tena manomboka mamely.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT