Fahasalamana

Fahasalamana Miaro amin’ny aretina maro ny fanajana fepetra


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Marina fa nidina ny tarehimariky ny Coronavirus, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina, fa mila maminavina ny ho avy sahady isika. Ny jolay 2020 no tratra ny PIC ho an’ny andiany voalohany na “1ere vague”, hoy izy.

 May 2021 ny PIC “2e vague”. 10 volana eo izay no lasa. Janoary 2022 kosa ny andiany fahatelo. Izany hoe eo amin’ny 8 hatramin’ny 10 volana eo no faharetany. Afaka 8 na 10 volana eo izany ny andiany fahaefatra raha tsy miova izay fihetsiny izay. Izay no kisary voalohany. Ny faharoa dia tsy hisy intsony ny Coronavirus. Midina betsaka! Mety amina faritra vitsivitsy sisa. Ny kisary fahatelo dia tranga vaovao na endrika Coronavirus vaovao izay tsy manaraka ireo lojika miisa 2 voalaza teo ireo. Izay no hanentanana antsika hanao vakisiny mba hampiakatra hery fiarovana hatreto. Tokony efa fahazarana ny manaja fepetra ara-pahasalamana toy ny elanelana 1 metatra ny arovava orona satria tsy Coronavirus ihany no voaharony fa na io gripa mahazatra io na io raboka na “tuberculose” mahazo ny tratra io. Toy izany koa ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony satria ny areti-mifindra rehetra azo avy amin’ny fifampikasohan’ny tanana dia voaaro amin’izany daholo. Isika no mila mifarimbona tsy hisian’ny “4e vague” intsony. Ny aretina hafa misy foana.


Mafana izao ny andro dia eo ny tazomoka. Totofy ny rano miandrona. Esory ny lobolobo manodidina ny trano. Idio ny varavarana rehetra vao mandrehitra jiro. Mampiasa lay! Avy ny orana dia mamely koa izao ny areti-kibo. Sasao amin’ny rano sy savony matetika ny tanana. Ampangotrao ny rano vao sotroina. Sakafo hanina manta tokony hadio tsara ary hanina masaka tokony masaka tsara. Mamonje dokotera rehefa misy tsy metimety, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT