Fahasalamana

Fahasalamana Marary fo ny 30 ka hatramin’ny 40 %-n’ny Malagasy


  • Talata 18 Jona 2019

Ny 30 ka hatramin’ny 40 %-n’ny olona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretim-po, izay tsy hanavahana taona. 10 ka hatramin’ny 20 isan’andro ho an’ny dokotera iray ny marary tonga manatona ny Institut d’hygiene social etsy Analakely.

 

Dokotera manampahaizana momba ny fo miisa roa no miasa ao an-toerana. Iray na roa isan’andro amin’ireo no fantatra fa miditra hopitaly nefa mety tsy misy ihany koa indraindray. Antony maro no mahatonga ny aretim-po izay ilay fo mihitsy no misy aretina na misy tsy fetezana raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rakotoarisoa Hery Lanto, cardiologue ao an-toerana. Mety ho vokatry ny sakafo be menaka izany. Misy ihany koa ny avy any am-bohoka mihitsy ankoatra ny  fifohana sigara sy ny fisotroan-toaka be loatra, ny aretina hafa toy ny goitre, ny kolesteroly izay manentsika ny lalandra. Mety hiteraka aretim-po ihany koa ho an’ny ankizy ny aretin-tenda  matetika sy ny nify simba tsy namboarina. Mahafaty ny aretim-po raha tsy voatsabo raha ny fanazavan’ity dokotera ity ihany. Misy ny fambara mampahafantatra izany toy ny faharerahan’ilay olona, sempotra izy, manaintaina ny tratrany sy ny lamosiny…. ka ny fanatonana mpitsabo ihany no hany vahaolana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT