Fahasalamana

Fahasalamana “Mamely olona maro indray ny Coronavirus”


  • Zoma 04 Novambra 2022

Mamely olona maro indray ankehitriny ny Coronavirus, hoy ny filohan’ny mpitsabo malagasy FITRAMA, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Nahavita dingana isika, hoy izy,

tamin’ny nahafahana niala tamin’ny fihibohana sy fanalana arotava. Zava-dehibe ny hery fiarovana izay azo amin’ny fahampian’ny torimaso, fisotroana rano, fanamboarana ny lafiny ara-tsaina mihitsy. Ho anay eto amin’ny FITRAMA izao dia tena nahita hoe miroborobo tokoa ilay izy tamin’ny tapa-bolana. Mety amin’ny alalan’ny sery na areti-tenda na tsy maheno fofona. Mampirisika ny rehetra hoe manatona tobim-pahasalamana. Mahita koa eny rehetra eny fa maro ny faty izay mety tsy hanatonana dokotera nefa ezaka tokony atao. Manana olana koa isika ankehitriny eo amin’ny resaka tontolo iainana, rivotra amin’ny resaka doro tanety. Eo ny tsy firaharahiantsika mihitsy ny resaka sakafo nefa tena zava-dehibe ny tsy fanaovana tsirambina izany, hoy hatrany ny tenany.


3 no tranga vaovaon’ny coronavirus ny herinandro’ny 1 ka hatramin’ny 7 oktobra.12 izany ho an’ny 9 ka hatramin’ny 21 oktobra ; niakatra ho 43 kosa ireo tranga vaovao ny herinandron’ny 22 ka hatramin’ny 28 oktobra.Ny faritra Analamanga no lohalaharana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT