Fahasalamana

Fahasalamana Mahafaty ny fanintona saingy azo tsaboina tsara


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Ny zaza fito volana eo no matetika no tratrin’ny aretina faninontona raha nambaran’ny mpitsabo . Fiakaran’ny maripana ambony no mahatonga ny zaza iray hifanintona izay tafakatra hatramin’ny 39̊C.

 Maro anefa ireo zaza amin’io taona misy azy io no tsy mahazaka ny maripana ambony ka eo no miseho ny fanintona. Misy fomba anefa no azo atao amin’izany rehefa miseho io aretina io raha nambaran’ny mpitsabo nanaovana ny fanadihadiana. Ny fampangatsihana ny zaza amin’ny fomba tsotra izay ampiasaina ny lamba lena kely amin’ny rano mangatsika no atao izay apetraka eo amin’ny handriny. Tsy maintsy manantona mpitsabo ihany anefa aoriana hanaovana io paikady entina hampihenana ny maripana ambony io. Anisany antony mahatonga ny fanintona eo amin’ny zaza ny aretin-tratra ary raha misy marary azy anatiny vatany ka miteraka hafanana izay efa ambony. Raha ny voalazan’ ny mpitsabo ihany anefa dia tsy mifidy taona ny faninontana fa mety ho tratrany avokoa izay marary misy maripana ambony. Mbola singa iray mahatonga ny aretina fanintona ihany koa ny fanesorana kankana ny zaza izay mampiakatra hafanana hatrany raha ny fanazanan’ny mpitsabo zaza, iray . Azo tsaboina tsara ny aretina. Notsindrin’ny mpitsabo hatrany anefa fa tsy mitovy amin’ny aretina androbe ny fanintona . Mandava-taona ny fisehon’ny aretina. Betsaka anefa ny voka-dratsy ateraky ny fanintona izay tsy voatsabo hoy hatrany ny dokotera. Mampalemy ny zaza ary mety hiteraka amin’ny fahafatesany mihitsy raha tara ny fitsaboana.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT