Fahasalamana

« Lainga ny filazana fa tsy misy voka-dratsy ny «bio» »


  • Zoma 19 Jolay 2024

Araka ny didim-panjakana 2017-066 ny 31 janoary 2017 mikasika ny fahalalana nentim-paharazana na

connaissance et savoir traditionnel» dia manana ny atao hoe zo amin’ny fizaka-manana ara-tsaina ny mpitsabo nentim-paharazana, hoy ny filohan’ny Fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Nodinihina omaly tetsy Anosy nandritry ny fivoriamben’ny ANTM ny fomba handrindrana izany. Tsy safidy, hoy ny filohan’ny ANTM, ny fidirana ho mpikambana anatin’izany rafitra izany fa izay no lalàna eto amin’ny tany sy ny firenena. Izay manao fitsaboana nentim-paharazana rehetra dia tokony hiditra ao. Lainga ny fanelezana amin’ny haino aman-jery fa ny fitsaboana amin’ny alalan’ny ravinkazo na natoraly na «bio» dia tsy misy voka-dratsiny fa toy ny fanafody rehetra ihany io. Hano aza, ohatra, ny anamamy satria «bio». Tsy misy voka-dratsiny ve? Betsaka ny ravinkazo tsy natao ho an’ny olona ambony tosi-drà, ohatra, dia betsaka koa no natao ho an’ny olona tsy ampy tosi-drà. Dokambarotra na filazàna lainga, izany hoe, «publicité mensongère» ireny filazàna ireny hoe tsy misy voka-dratsy ny «bio». Izay no mahatonga anay mitaky hoe ampidiro anaty heloka ana habaka na «cybercriminalité» ity fanaovana dokam-barotra fitsaboana nentim-paharazana ity mba hipetrahany amin’ny maha sehatra fitsaboana, fitaizana azy. Efa talohan’ny faha mpanjaka no nisy ny fitsaboana nentim-paharazana ary ny OMS na sehatra iraisampirenena momba ny fahasalamana ao anatin’ny firenena mikambana no milaza fa mbola mampiasa izany amin’ny lafiny rehetra ny manodidina ny 80%n’ny mponina. Mifanakalo ny fitsaboana nentim-paharazana sy maoderina. Misy ny alefa any rehefa tsy mety aty ary misy ny alefa aty rehefa tsy mety any. Tsy miova io ary inoana aza fa hitombo ny filàn’ny fiarahamonina izany fitsaboana nentim-paharazana amin’ny lafiny rehetra izany satria diso ilay fiheritreretana hoe satria mbola mahantra ny olona dia mila an’io. Ampahany manontolo amin’ny kolontsaina io dia ilainy foana. Ny vokatra tsara avy aminy no aoka ho raisina mba hahasoa ny fiainan’ny mpiara-monina, hoy hatrany ny fanazavana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT