Fahasalamana

Fahasalamana - hopitaly Tsy dia marisika firy manome ra ny Malagasy


  • Alakamisy 15 Jona 2023

Tsy dia maharisika manome ra ny olona eto amintsika. Vao ny am-pahadimin’ny mponina fotsiny mantsy no manao

izany ankehitriny noho ny antony maro samihafa. Anisan’izany ny tahotra ny mety hihenan’ny hery. Eo ihany koa ny fisian’ny valan’aretina COVID 19 izay tena nampatahotra mafy ireo mpanome ra na dia ny mandingana eny anivon’ny hopitaly aza sao misy viriosy. Na izany aza anefa dia nambaran’ny tompon’andraikitra omaly fa efa niverina amin’ny laoniny izany ankehitriny taorian’ny fanentanana nataon’izy ireo. Tsiahivina fa isan-taona dia mamonjy ain’olona maro ny famindrana rà sy ireo singa azo avy aminy. Ny fanomezan-drà an-tsitrapo no loharano hahazoana rà madio sy azo antoka ho an’ny marary ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny fianakaviana manana marary mila rà. Nankalazaina omaly ny andro manerantany ho an’ny mpanome ra.Ny Fikambanambe iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS) dia nametraka ho tanjona amin’ny taona 2025 ny fampiasana rà 100% avy amin’ireo mpanome rà an- tsitrapo manerana izao tontolo izao. "Ndao 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗮𝗺𝗼𝗻𝗷𝘆 𝗮𝗶𝗻𝗮” no loha-hevitra nitondrana ny fankalazana omaly.
Pati
Legende : Nandritra ilay hetsika fanomezan-dra maimaim-poana natao nanoloana ny hopitaly HJRA Ampefiloha omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT