Fahasalamana

Fahasalamana ho an’ny rehetra Miisa 12 hatreto ireo ekipa efa namaly ny antson’ny ASIEF


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Miankina amin’ny fanaovana fanatanjahantena amin’ny ankapobeny ny fahasalaman’ny vatana. Aretina maro mantsy no voasorok’izany toy ny diabeta, ny hatavezana diso tafahoatra…

 

 

 Hanampiana ny olona hahay hitaiza vatana  amin’ny fanatanjahantena dia hotanterahina ny 8 sy ny 9 desambra ho avy izao eto an-drenivohitra ilay « jeux corporatifs » karakarain’ny ASIEF  (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires).  Ekipa miisa 12 hatreto no efa namaly ny antson’ny ASIEF, hoy ny filohany Jean Aimé Alias. 32 anefa no tanjona hotratrariny.  Lalao ara-panatanjahantena maro no ho hita ao. Anisan’ireny ny baskety, ny volley, ny kitra ho an’olona fito, ny tsipy kanetibe, ny tennis…izay azon’ny rehetra handraisana anjara. Miantso ireo mpanohana sy mpiara-miasa aminy rehetra ny ASIEF hifanome tanana amin’izy ireo.  Ny hananan’ny olona fahasalamana tomady hahafahana miatrika ny fiainana amin’ny andavanandro  no tanjon’izy ireo, indrindra fa ireo mpiasam-panjakana. Aorian’Antananarivo dia hoentina avy hatrany hihazo ny faritra ny hetsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT