FAHASALAMANA

Fa inona marina moa ny atao hoe fahapozinana ara-tsakafo ?


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

Ny Fahapozinana ara-tsakafo dia iray ao anatin’ny Fahapozinana na ilay

antsoina amin’ilay teny vahiny hoe ‘’INTOXICATION’’, araka ny fanazavan'ny Dr Liva izay efa nitantana nandritra ny taona maro ny sampana vonjy aina etsy amin'ny HJRA.
Mizara telo lehibe ny ‘’ Fahapozinana’’: dia ny Fahapozinana tsy nahy na antsoina hoe ‘’ intoxication Accidentelle ‘’, ny Fahapozinana niniana atao na ilay antsoina hoe ‘’intoxication Volontaire’’ (na ilay Famonoantena) ary ny fahapozinana miendrika von’olona na ilay mahazatra ny Malagasy hoe ‘’Mosavy’’, izay antsoina ihany koa hoe’’intoxication Criminel’’.
FAHAPOZINANA TSY NAHY na INTOXICATION ACCIDENTELLE.
Araka izay hoe tsy Nahy izay dia tsy nampoizina ilay FAHAPOZINANA na tsy fanahiniana , ka mety ho: _ ara-tsakafo _ fanafody _ akora Simika (Entona, Asidra …). Ny fomba ahazoana azy eo amin’ny Olombelona dia mety ho amin’ny Vava, ny Orona ary eo amin’ny sosokoditra na ireo lava-koditra. Ilaina ny fahafantarana ireo antony nahatonga ilay fahapozinana (fototr’ilay Poizina na sakafo izany na fanafody dia inona na akora Simika inona ? sns…). Ny fahafantarana ny fototr’ilay fahapozinana dia manamora ny fandraisan’’ny Mpitsabo ny fanapahankevitra. Ilaina araka izany ny fanantonana haingana dia haingana ny toeram-pitsaboana.
FAHAPOZINANA NINIANA ATAO na INTOXICATION VOLONTAIRE.
Araka izany hoe niniana ataon’ilay Olona ilay fahapozinana na ilay fahenontsika mahazatra hoe:''Famonoantena tsotra izao’’ na koa ilay hoe : Suicide. Mety ho fanafody izy io na poizina Simika tsotra izao , eny fa na ilay fisotroana toaka be loatra aza dia mety ahatonga fahafatesana .
FAHAPOZINANA MIENDRIKA FAMONOAN’OLONA na INTOXICATION CRIMINELLE
Ity fahapozinana iray ity indray dia miendrika vono olona tsora izao satria tsy sitrapon’ilay niaramboina mihitsy ilay fahavoazana fa natao amboletra na fanerena ankolaka na koa atao tsy hita mihitsy, izay ilay ataontsika Malagasy hoe ‘’Mosavy’’. Ity fahapozinana iray ity indray dia tena sarotra ny miady aminy satria tsy fantatra mihitsy ilay Poizina .
SAKAFO SIMBA
Koa ilay fahapozinana ara-tsakafo dia ilay tafiditra ao anatin’ilay Fahapozinana voalohany tsy Nahy izay mety vokatry ny loto na fahasimban’ilay sakafo karakaraina na koa fihodinan’ilay sakafo teo am-pitehirizana azy. Mety ho olona iray no voa na koa vondron’olona maromaro TIAC (toxi infection alimentaire collectifs)Tsara ny mampahalala fa raha misy tranga iray mampiahiahy dia tsara ny fanantonana haingana tobim-pahasalamana akaiky anao indrindra mba hanamora ny Fitsaboana . Eto Antananarivo dia misy Servisy manokana mitsabo ny aretina vokatry ny FAHAPOZINANA dia ao amin’ny hopitaly HJRA ‘’ SERVICE DE REANIMATION MEDICALE ET DE TOXICOLOGIE CLINIQUE’’.Ary tsarovy fa ‘’Ny fahadiovana eo am-piikarakarana Sakafo no maha ela velona…. ‘’ Isaorana manokana ny Dr Liva ANDRIANARIJAONA
Nangonin'i RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT