Fahasalamana

Fahasalamana ara-panananahana Mila beazina ny ray aman-dreny sy ny zaza


  • Alarobia 14 Oktobra 2020

Matetika no fanolanana vehivavy na ankizivavy kely foana no voaresaka, fa nefa tena misy eto amintsika sy manomboka mahazo vahana ihany koa ny fanolanana zazalahikely tao anatin'ny taona vitsivitsy.

 

 

Ny Centre Vonjy etsy Befelatanana izao tamin'ny taona 2015 dia mandray zazalahy kely voaolana 5 isam-bolana eo ho eo. Mila hamafisina kokoa ny ady atao amin'ny herisetra amin`ny fomba isan-karazany eto Madagasikara. Misy olona tsy mahafantatra akory mantsy hoe herisetra ny zavatra ataony. Tokony ampidirina sy amafisina ihany koa ny fanabeazana ara-pananahana any an-tsekoly. Ny sekoly katôlika izao manana ny EVA (Education à la Vie et à l'Amour), fanabeazana momba ny fiainana sy ny fitiavana. Araka izany, dieny mbola kely dia tsara ampianarina ny ankizy fa azy manokana ny taovam-pananahany ka tsy misy olona tokony hikitika, raha tsy rehefa ampandroina ihany izy. Raha tsy tiany aza ny fomba fikitika ny vatany dia afaka miteny izy. Ny ray aman-dreny ihany koa dia tokony ampianarina an'izany. Rehefa tsy tian'ny zanany ny fomba fikitihany azy, dia tokony hohajain'ny ray aman-dreny izany. Ohatra sy fomba tsotra hampianarana ny ankizy ho sarotiny amin'ny vatany izany ary efa dingana iray sahady ianarany miaro tena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT