FAHASALAMANA ARA-PANANAHAN’NY TANORA

Hampianarina tsy hiroso amin’ny firaisana aloha loatra ny mpianatra


  • Talata 06 Mey 2025

Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly Alatsinainy 05 May ilay tetikasa filamatra

mikasika ny fandaharan'asa manohana ireo zo momba ny fahasalamana ara-pananahana na ny "PADSSR" ho an’ny tanora mpianatra eto amintsika. Sekoly miisa efatra dia ny Lisea Rakotoarisoa Amoron'i Mania, Lisea André Resampa Antsirabe, CEG Miarinarivo ary ny EPP Soamandrakizay, nanomboka ny volana jona 2024 hatramin’ny volana desambra 2026 no hanatanterahana izany, izay mikendry tanora miisa 6 000 sy ireo olon-dehibe manodidina azy 3 000 isa ahitana ireo ray aman-dreny, mpanabe ary Talen-tsekoly. Napetraka ho tanjona amin'izany ny hanenana sy hisorohana ny vohoka aloha loatra eo amin'ireo tanora sy ny fihanak'ireo aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo tsy voaaro ary koa mba hampiroboroboana ny fahaleovantenan'ireo tanora momba ny fahasalamana ara-pananahana. Ho fanatanterahana izany dia hisy ny fampiofanana tanora mpanabe olon-tsahala miisa 40, izay hanentana mikasika ny fanabeazana ara-pananahana (ECS) eny anivon’ny sekoly hivoy lohahevitra maro toy ny taonan'ny adolantsento, ny fahadiovan'ny vatana, ny fisorohana ny vohoka tsy irina, ny fanatanterahana atrikasa ho an'ireo fanentanana ho an'ireo tanora sy mpanabe ary tompon'andrakitra eny anivon’ny sekoly, ny fanofanana ireo mpiasan'ny fahasalamana sy mpanabe tanora, ny fananganana klioba sy sehatr'asa miaina avy any amin'ireo tanora, izay tanterahana amin'ny alalan’ny fanomezana vatsim-pianarana, fametrahana toerana hahafahana mizara izay tsara ho fantatra momba ny fanabeazana ara-pananahana eny anivon’ny sekoly miaraka amin'ny fanavaozana ireo toeram-pitsaboana an-tsekoly sy fampitaovana mifanaraka amin' izany, ary ny fizarana fitaovana fampiasa amin'ny fadim-bolana eny anivon’ny toeram-pitsaboana an-tsekoly. Marihina fa ity tetikasa ity dia tafiditra sy mifandray amin'ny politika nasionaly momba ny fanabeazana ho amin'ny fiaraha-miaina mirindra an-tsekoly (EVH).Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny "Mouvement Malgache pour le Planning Familial" (MMPF) sy ny AFD no angady nananana sy vy nahitana izany.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa fohy nataon’ireo tompon’andraikitra ho an’ny mpanao gazety ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT