Fahasalamana

Fahasalamana ara-pananahana Namoaka boky ny Dokotera Rakotobe Andriamaro


  • Zoma 10 Septambra 2021

Navoaka ho fanta-bahoaka omaly Notanterahina omaly tetsy Anosy ny fampahafantarana ny boky "Guide de Gynécologie - Obstétrique pour le Médecin Généraliste"

 nosoratan'ny dokotera Rakotobe Andriamaro Andriantsirombaka. Natao teo ambany fiahian-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, ny lanonana amin'ny maha-mpiahy ny tontolon'ny boky azy, notronin'ireo mpiara-miasa aminy, ary ireo manam-pahaizana mpitsabo samihafa misehatra amin’ny asa fitsaboana. Tanjona amin’ity boky ity ny mba hahafahana mifampizarana traikefa ho an’ireo mpitsabo rehetra entina hanatsarana ny tolotra omena ny vahoaka. Vonona hatrany ny hanohana ary hanampy tosika ireo mpikaroka Malagasy ka hamadika ny fikarohany ho boky ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, hoy Ramatoa Minisitra. Tafiditra ao anatin'ny fandaharan'asan'ny Minisitera rahateo ny fameloma-maso sy famerenana ny fitiavana mamaky boky hoy hatrany izy. Nametraka ihany koa ny Ministera nandritra ny fanamboarana natao teo anivon'ny tranombokim-pirenen'i Madagasikara ny taona 2020, ny tahalan'ny fandalinana sy ny fikarohana. Manosika ny famoahana boky isan-karazany ary manome sehatra hahafahana mampahafantatra izany eo anivon'ny tranom-bokim-pirenena eto Madagasikara hatrany moa ny ministera.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT