Raha 631 ireo olona fantatra fa nitondra ny tsimok’aretina Vih/SIDA teto amintsika tamin’ny taona 2010 dia efa tafakatra 4.403 izany tamin’ny taona 2018 farany teo Mitombo isa hatrany ireo olona voany saingy vitsy ireo mbola fantatra.
Noeritreretina hahatratra hatrany amin’ny 35.000 ny isan’izy ireo ankehitriny saingy tsy sahy manatona toeram-pitsaboana ny ankamaroany. Ireo mpampanofa tena no betsaka indrindra amin’izany izay mahatratra 5,6 %. Toraka izany koa ny lehilahy miaraka amina lehilahy mitovy aminy ihany izay mahatratra 14,8 % ankoatra ireo mitsindrona zava-mahadomelina izay mahatratra 8,50 %. Manoloana io tranga io dia manentana ny rehetra mba hanatona tobim-pitsaboana ary hanao fitiliana ny komitim-pirenena miady amin’ny aretina SIDA na ny CNLS. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety notanterahin’izy ireo omaly ka nahafantarana fa ny 90%-n’ireo olona voan’ity aretina ity ka nahazo fitsaboana hatreto dia efa mihatsara tanteraka ny fahasalamany. Mizotra mankany amin’ny fahasalamana ihany koa ny 90 %-n’ireo nihinam-panafody izay marihina fa tsy vidiam-bola ary tsy ahitana ity otrikaretina ity intsony ao anatin’ny rany. Tsiahivina moa fa 0,30 % ny tahan’ireo olona mitondra ny tsimok’aretina Vih/Sida manerana ny Nosy. Hankalazaina ny alahady 1 desambra ho avy izao ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina SIDA.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.