FAHASALAMANA

15 000 isan-taona ny olona voan’ny areti-maso


  • Zoma 21 Jona 2024

Saika hita eto Madagasikara avokoa ny karazana areti-maso misy eran-tany hoy ny Dr Solofo Georges,

médecin ophtalmologiste sy lehiben’ny IVM. Loha-laharana voalohany mitarika fahajambana manerantany ny katarakta. Raha ny eto Madagasikara manokana dia 15.000 isan-taona ireo olona tratran’ny aretina katarakta. 1 hatramin’ny 3 isanjaton’ireo marary maso ihany koa no tratran’ilay aretina “glaucome” ary 2 isan-jaton’ny ankizy mianatra no manana olona amin’ny fahitana. 50 eo kosa ny isan’ny “ophtamologue” eto Madagasikara raha ny nambaran’ny INSTITUT DE LA VISION MADAGASCAR.
Mila fitsaboana maso ny olona eto Madagasikara ary tsy ampy ny isan’ny mpitsabo maso miandraikitra ny fandraisana an-tanana ny vahoaka Malagasy izany hoy docteur James Davidians, filohan’ny Adventist International Eye Services. Tonga eto Madagasikara manamarika ny faha-20 taona ny INSTITUT DE LA VISION MADAGASCAR ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy avy any Etazonia amin’izao fotoana. Toeram-pitsaboana maso nitsangana teto Madagasikara ny taona 2004 ny IVM, izay najoron’ny Dr Gordon Miller ho entina mitsabo ireo Malagasy tratran’ny areti-maso ary ny Dr James Davidians kosa ny filoha ankehitriny.
Fitsaboana maimaimpoana ho an’ireo olona marary maso miisa 100 isan’andro mandritra ny herinandro, fanolorana fanomezana PPN ho an’ny akany “orphelinat kids hope” ary fametrahana ny vato fototry ny ivon-toerana fiofanana ho an’ny mpitsabo maso no nanamarihan’ny IVM ity faha 20 taona nisiany teto Madagasikara ity.
Lalaina RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT