Fahasalamana

Fahasalamam-bahoaka Tena mbola atahorana ny pesta


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Ny fiandohan’ny volana aogositra 2017 no nahitana trangana valanaretina pesta voalohany ka nahafatesana olona 202 teto Madagasikara raha tsiahivina, ny isan’ireo namoy ny ainy tao anatin’ny 4 volana latsaka teo. Ny 27 novambra lasa teo kosa no nambara tamin’ny fomba ofisialy fa resy izy ity ho an’ireo tanàn-dehibe.

2384 isa ireo tranga niseho ka pesta mpahazo ny tratra ny 1828 tamin’ireo pesta aretin-tratra na “Peste pulmonaire” ity namono olona teto Madagasikara ity. Nisy moa ilay andro 1 nanaovana fanadiovana faobe tamin’ny volana janoary teo saingy mahalasa saina ihany ny fanamarihan’ny filoham-pirenena tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny herinandro lasa iny, araka ny tati-baovao  fampatsiahivana nataon’ny minisiteran’ny serasera tamin’ity herinandro ity hoe mila tohizana ny fanentanana momba ny ady amin’ny pesta ataon’ireo departemanta voakasika. Mila hentitra ihany koa ny fanadiovana. Mazava ny resaka eto fa mbola misy toerana atahorana hiverenan’ity aretina ity fa resaka fotsiny ny hoe tsy misy atahorana. Nahenoana tranga rahateo moa vao haingana izay tamin’iny faritra Ankazobe iny. Maro tokoa ireo toerana mbola tena azo lazaina ho feno loto eto Madagasikara, ary mbola manahirana ireo kaominina maro be ny fanangonana sy fanariana ny fako. Tsy mbola misy fomba fiasa maty paika hamotehana na hamadihana ny fako ho zezika eto amintsika, tetikasa ataona orinasa madinika no misy saingy tsy mahasahana ny fako an’arivony sy an’aliny taonina hita etsy sy eroa isan’andro.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT