Fahasalamana

Fahasalamam-bahoaka Nohamafisina ny fanaraha-maso ny fandraisana ireo marary


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Nanomboka tamin’ny taona 2017 no nampiharina voalohany teto amintsika ilay hetsika Label 5 S entina hanatsarana ny fandraisana an-tanana ny marary tonga manatona eny anivon’ny hopitalim-panjakana.

 

 

Tany Mahajanga no nisantarana izany izay notsindrian’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka omaly ny profesora Rakotonirina Julio fa ezahina haparitaka any amin’ny distrika. Raha ny fantatra dia nisy ireo fitarainana hita teny amin’ny tambajotran-tserasera tato ho ato, izay nambaran’ny minisitra fa efa nandraisana andraikitra avokoa. Ny tanjona dia  voatsabo ara-dalàna ny olona iray miditra hopitaly no sady milamin-tsaina ihany koa noho ny ezaka ataon’ireo mpitsabo. Mila madio anefa ireo olona marary tonga manatona ny tobim-pitsaboana. Tsy tokony himenomenona ireo milahatra nefa sendra ireo olona marary mafy tsy maintsy raisina mialoha. Tohanan’ny JICA ity hetsika ity ka misy ny fanaraha-maso ireo hopitaly mikasika ny fandraisany an-tanana ireo marary tsy an-kanavaka.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT