Fahasalamana

Fahasalamam-bahoaka Niampy 25 mianadahy indray ireo infirmiera sy mpampivelona


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Anisan’ny mbola olana goavana sedraintsika eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny infirmiera sy ny mpampivelona, indrindra fa any amin’ny faritra lavitra andriana.

 

 Antony manosika ireo vehivavy hiteraka any amin’ny Reninjaza izany amin’ny ankapobeny na koa hanao dokotera tenany ho an’ireo marary tsotra. Tsy vitsy ireo sekoly ambony tsy miankina miezaka manampy isa azy ireny, manohana ny fitondram-panjakana. Anisan’ireny ny Institut Supérieur des Sciences technologiques paramedicales ( ISST Paramed)  etsy Andrefanambohijanahary. Mpianatra miisa 25 mianadahy, ny 11 mpampivelona, ny 14 infirmiera no navoakan’izy ireo tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny Motel Anosy omaly, nianatra nandritra ny telo taona ary notolorana ny maripahaizana mifandraika amin’izany. Nambaran’ny dokotera  Rabarijaona Marie Yollande izay sady filoha mpanorina ny sekoly fa mampiavaka azy ireo ny fahafahan’ny mpianatra miatrika fianaran’asa avy hatrany, telo volana aorian’ny hianarany. Tsy maintsy mahavita mampiteraka olona miisa 46 ny mpampivelona iray raha kely mialoha ny hivoahany hamonjeny ny asany. Efa manana ONG iray mpiara-miasa aminy mantsy ny ISST Paramed izay mandray avy hatrany ireo mpianatra havoakany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT