Fahasalamana

Fahasalamam-bahoaka Nampanantena fa hiasa mafy ny minisitra vaovao


  • Talata 17 Aogositra 2021

Tontosa soamantsara omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka teo aloha ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis sy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka

 vaovao ny Profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ity farany fa hanao araka izay tratrany izy mba hahatanteraka ilay fahasalamana manakaiky ny vahoaka. Anisan’ireny ohatra ny fanohizana ny fijerena ireo toerana mbola tsy misy hopitaly nefa be mponina. Toraka izany ihany koa ny fijerena ny fitaovana ilaina hahafahana mijery akaiky ireo Renim-pianakaviana saro-piterahana sy olona tratry ny tsy fahasalamana ka mila fandidiana maika. Nisaotra ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra izay nampiakatra avo ny kalitaon’ny asan’ny Ministera kosa ny Ministra teo aloha ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis raha nandray fitenenana. Tsy adinony nandritra izany ny niarahaba sy nitso-drano ity farany amin’ny andraikitra goavana izay hosahaniny ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka moa no nanaovana izany, notronon’ny fianakaviam-ben’ny Ministera sy ireo mpanao gazety.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT