Fahasalamana

Fahasalamam-bahoaka 𝗡𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 "𝗽𝗮𝗻𝗻𝗲𝗮𝘂𝘅 𝘀𝗼𝗹𝗮𝗶𝗿𝗲𝘀" 𝗻𝘆 𝗖𝗛𝗥𝗗 𝗔𝗿𝗶𝘃𝗼𝗻𝗶𝗺𝗮𝗺𝗼


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Anisan'ny vaindohan-draharahan'ny Fitondram-panjakana ny fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka eny anivon'ny tobim-pahasalamana miankina amin'ny fanjakana manerana ny Nosy.

Hopitalin'ny distrika (CHRD) sy Hopitalim-paritra (CHRR) maro no efa nisitraka izany. Omaly Talata 06 Desambra dia ny CHRD Arivonimamo, faritra Itasy indray no nahazo fampitaovana "panneaux solaires" vaovao 26 isa. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon'antoka GIZ no angady nananana sy vy nahitana izany. Marihina moa fa mba hahafahana manavotra ireo vehivavy teraka amin’ny alina nefa tapaka tampoka ny jiro, na koa misy marary mafy mila famonjena ankoatra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana no antony nanomezana ity fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity. Azo hampiasaina ihany koa izy ireo raha sendra misy olona marary na vehivavy teraka mila fandidiana maika.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT