Fahasalamana

Fahasalamam-bahoaka Mila fampivoarana ny rafitra sy ny fitaovana


  • Talata 26 Febroary 2019

Mbola ahitana kolikoly ny sehatry ny fahasalamana, indrindra eny amin`ireo toeram-pitsaboana mampitaraina ny marary sy ny fianakaviana manana ny tsy salama midodododo eny amin`ny hopitaly.

Ny marary na ny fianakavian`ireo olona mila fikarakarana any amin'ny tobim-pahasalamam-panjakana dia miankina amin'ny asa ataon'ny dokotera, mpitsabo mpanampy, ny mpampivelona ​​amin'ny ankapobeny. Mitairana anefa ny olna amin'ny ataon'ny mpiasan'ny fahasalamana satria ny kalitaon`ny asa ratsy ka kivy ny olona. Mitarazoka ny fomba fiasa eny amin'ny toeram-pitsaboana na hopitaly na CSB, hany ka voatery manao kolikoly amin`ny mpiasa mba handray ny fikarakarana sahaza na handray tombontsoa manokana. Ireo antony mahatonga izany dia ny tsy fahampian`ny karama, tsy misy fanonerana « indemnité de garde », tsy misy fitaovana manaraka ny fenitra mba hiasana. Tsy misy fijerena azy ireo manokana angamba. Maro amin`ireo sampandraharaha eny amin`ny hopitaly no mbola manararaotra ny fahasahiranan`ireo marary, indrindra ireo avy any ambanivohitra tsy mahafantatra ny lalan-kaleha. Eo koa ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an`ny daholobe izay mbola lavitr`ezaka.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT