Raharaha mahakasika ny fahasalamam-bahoaka ary tena nitarika voka-dratsy maro toy ny fahafatesana, tsy fianaran'ny mpianatra, tsy fihodinan'ny toekarena, fizahantany ...
tamin'ny faramparan'ny taona 2017 lasa teo iny ny fisian'ny valanaretina pesta, indrindra ny pesta aretin-tratra. Tato ho ato dia misy trangan'aretina pesta re ary namono mihitsy ny sasany. Mpahandro sakafo iray tao amin'ny EKAR Ankazobe no voan'ny pesta atodin-tarimo ny tapaky ny volana janoary teo. Soa fa nalaky hita ka voavonjy ilay narary. Tany Fandriana, lehilahy mpanatsofa hazo, narary avy any Mananara Avaratra, no maty an-dalana raha nody tany Fandriana, Amoron'i Mania, ny 11 febroary 2018 teo. Voamarina fa pesta aretin-tratra no nahazo azy. Nisy lehilahy iray niara-dia taminy avy any Mananara Avaratra ihany koa voa saingy voavonjy ara-potoana ary notsaboina tao amin'ny hopitaly ao Fandriana. Nanaovana filazana tamin'ny radiom-paritra tao an-toerana ihany koa ireo rehetra niray fiara niainga teo amin'ny Fasan’ny karana Antananarivo tamin'ireo marary ireo mba hanatona hopitaly avy hatrany hisorohana ny fiparitahan'ny pesta. Raha ny loharanom-baovao avy any Fandriana dia maromaro no marary sy efa matin'ny pesta tany an-toerana tamin'iny 2017 iny. Lehilahy iray hafa tokony ho 60 taona matin’ny pesta atody tarimo tany Ankorona Andramasina ny talata teo. Telo andro tsy nihinan-kanina sy nipetra-drery. Notazonina tao amin’ny tobim-pahasalamana ary nalevina omaly. Nianjera teny an-dalana, ka teo no nobataina ankizy sy nomena hanina, ary nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana, saingy maty. Nisy fivontosana lehibe teo anelakela-peny. Henontsika ihany koa fa ny tale jeneralin'ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana dia nanao fanambarana goavana tany Genève Soisa fa hihamafy ny pesta eto Madagasikara ary hiitatra amin'ireo Nosy sy firenena manodidina. Tsy naharenesam-peo anefa ireto mpitondra antsika, indrindra ny governemanta fa satria efa namoahan'izy ireo didim-panjakana ny hoe : tapitra ny pesta na dia izy ireo ihany aza no nilaza sy mamerimberina fa misy vanim-potoana ny pesta eto amintsika izay tsy mifarana raha tsy ny volana aprily. Ny olana dia niaraha-nahita fa ny Birao nasionaly mitantana ny loza voajanahary na BGNRC no nitantana ny fiadiana tamin'ny peste teto amintsika fa tsy ny minisiteran'ny fahasalamana. Ny fanampiana rehetra na fitaovana na vola dia ny BNGRC izay ny praiminisitra no miahy azy. Tamin'ny faran'ny herinandro teo dia nomena « bon de caisse » mitentina 300.000 Ar ny dokotera avy amin'ny minisiteran'ny fahasalamana ary misoratra hoe : « riposte peste » ny nanomezana azy. Dia io miady mba hahazo io koa ny Paramed satria izy ireo koa mba niasa tamin'izany. Ny tsy fahaiza-mitantana sy tsy fahombiazana ary ny kiafinafina no mahatonga faty olona maro nefa dia na tompon’andraikitra iray aza tsy nisy bedy, fa mbola te hanohy ny filalaovana ain'ny mpiray tanindrazana hatrany.
Jean D sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.