Fahasalamana

Fahasahiranana andavanandro Maro ireo midi-trosa rehefa mitsabo tena


  • Alarobia 11 Mey 2022

Maro ireo mpitsabo velon-taraina amin’izao. Mitombo isa hatrany mantsy ireo marary mila fitsaboana manao tonga trosa. Hafa mihitsy ny zava-nitranga tamin’ny 3 taona lasa hoy ny mpitsabo iray.

Tamin’izany mantsy mbola nahavita nandoa vola avokoa ireo marary fa amin’izao ny ampahatelony dia saika manao trosa avokoa. Raha miisa 9 ireo marary tonga hoy hatrany izy dia ny 3 amin’ireo no tena tsy manan-katolotra mihitsy nefa tena marary mila famonjena. Misy amin’ireny olona ireny no tena tsy mahaloa trosa mihitsy raha misy miverina ihany ny sasany saingy ny ampahany ihany no voalohany. Anisan’ny antony manosika ireo toeram-pitsaboana sasany hanao fizaham-pahasalamana maimaim-poana izany ho fitsinjovana ireo tena sahirana. Ho an’ny Centre Aina Soa etsy Namontana ohatra dia mikarakara fizaham-pahasalamana maimaimpoana izy ireo. Atao Rija Mandimbison, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity ivon-toeram-pitsaboana ity mihitsy no handray an-tanana ireo marary mandritra izany, hetsika hotontosaina mandritra ny fotoana tsy voafetra. Tanjon’ity centre ity moa ny hanalana fahasahiranana ireo marary tena sahirana , fizahana izay tsy hanavahana aretina. Tsy maninona moa hoy hatrany izy na tsy hitsabo tena aza ilay marary fa hizahana ny teo-pahasalamany fotsiny mba hahafantarany izay tena manjo azy.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT