Fahasalamana

Fahaketrahana ara-tsaina Ankizy no tena betsaka voany


  • Zoma 07 Aprily 2017

Aretina iray miafara amin’ny famonoan-tena hatrany amin’ny ankapobeny ny fahaketrahana ara-tsaina (Depression) raha tsy voatsabo.

 Ireo ankizy adolantsento manomboka eo amin’ny 16-20 taona no tena betsaka mamono tena hampidirina etsy amin’ny hopitaly HJRA  Ampefiloha tato ho ato, hoy ny profesora Rajaonarison Hortensia. Tsy mbola matotra tsara mantsy ny atidohan’izy ireny, tsy ampy ihany koa ny fiheverany ka ny famonoan-tena no hany hitany fa vahaolana tokana. Mbola latsaky ny 10 % amin’ireo marary ihany anefa no afaka mitsabo tena eto amintsika. Mety ho vokatry ny tsy fananam-bola izany nefa mety ho vokatry ny tsy fahampian’ny mpitsabo ihany koa. Mbola vitsy amin’ireo tobim-pitsaboana eto amintsika mantsy no manana mpitsabo mandray an-tanana manokana ireny  olona lasibatry ny fahaketrahana ara-tsaina ireny. Hankalazaina anio zoma 7 aprily ny andro manerantany ho an’ny fahasalamana. Nanaovana adihevitra tetsy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka omaly ny resaka fahaketrahana ara-tsaina sy ny vahaolana hoenti-miady aminy. Fomba fisehon’ny aretina ny kendrena eo anelanelan’ny maso sy ny handrina sy ny fitokana-monin’ilay marary.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT