FAHAIZANA MANISIN-DELO

Miaro ny ankizy amin’ny olan’ny tsy fandrenesana


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Miaro ny ankizy amin’ny olan’ny tsy fandrenesana mety hitranga ny fahaizana manisin-delo.

Mihabetsaka tokoa mantsy amin’izao fotoana ireo olona manana olana amin’ny fandrenesana aty amin’ny tany Afrikana, raha araka ny fanazavan’ny dokotera Randrianarisoa Theodore, lehiben’ny sampandraharaha ORL eo anivon’ny hopitaly Loterana etsy Ambohibao. Mbola kely ny ankizy araka izany indrindra rehefa voan’ny sery dia hampianarina tsara mba hahay hamoaka ny lelo ao anatin’ny orony. Iny lelo miangona ao anaty orona iny mantsy hoy ity dokotera ity rehefa mitambatra dia lasa mankany amin’ny sofina ka lasa miteraka aretina hafa tsy hahafahana mandre feo tsara intsony. Ankoatra izay hoy izy dia miparitaka eny an-tsena amin’izao ireo karazana fitaovana fisokirana sofina indrindra fa ireo vita amin’ny vy. Ho an’ity farany manokana dia nambarany fa tena fady ny mampiasa azy ireny hiarovana ny fahasalaman’ny sofina. Mety handona zavatra maro any anaty sofina any mantsy ny fampiasana izany ka ilana fitandremana.
Pati
Legende : Fady ny mampiasa ireo fisokirana sofina vita amin’ny vy hoy ny dokotera Randrianarisoa Theodore, lehiben’ny sampana ORL eo anivon’ny hopitaly Loterana Ambohib
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT