Fahafatesana marary tao amin’ny HJRA

Dokotera roa voatory, naneho ny alahelony ireo mpitsabo


  • Zoma 22 Martsa 2024

Maneho ny alahelony ny dokotera manerana ny nosy amin’izao fotoana izao,

fa noraisina ho tsy misy lanjany ry zareo sy ny asany, hoy ny vaovao avy amin’ireo mpitsabo. Be loatra mantsy ireo naman'izy ireo miaka-midina eny amin'ny fitsarana, na zandary, na mpanao famotorana satria betsaka ny famporisihina ny olona hankahala azy ireo, hoy ireo mpitsabo. Manamarika moa izy ireo fa tsy misy ataon'ny Minisitera eto fa mijery fotsiny, na koa manisy sira aza matetika. Ny andron’ny omaly izao dia nanao diabe ireo solotenan’ny mpiasa ao amin’ny HJRA Ampefiloha nanotrona sy nankahery ireo namany satria dokotera anakiroa ka ny iray anesthésiste réanimateur, ny iray kosa chirurgienne, izay tratry ny fanenjehana. Raha hiverenena, zafikelina kolonely no narary mafy, efa notazonina hopitaly hafa, ka nafindra tao amin'ny HJRA. Nodidiana malaky ilay zazakely nefa tsy tana ny ainy. Nitory ireto fianakaviana ho famonoana olona tsy nahy. “Malahelo izahay mpitsabo, fa mbola arahina vava ratsy, hatramin'ny filazana fa izy ireo mihitsy no hanatitra mangahazo eny Atanimora ho an'ireto dokotera, nanao izay vitany hanavotana ilay zaza”, hoy ny fanazavana avy amin’ny akolafin’ireo mpitsabo. Mahatsiaro tsy misy mpiaro ny mpitsabo amin'ny asany, izay manao ny faraheriny, fa tsy tompon'ny aina, kanefa etsy ankilany, dia mahatsapa izy ireo, fa mitazam-potsiny ny eo anivon'ny sampan-draharaha sy ny ministera mpiahy. Fanairana ihany no nataon'izy ireo omaly satria niatrika famotorana, dia miandry ny tohiny hanolorana azy azy ireo eny amin’ny fampanohavana. Hatahorana ny mety hanakatonan'ny mpiasa ny hopitaly rehefa fa tsy manao na inona na inona ingahy ministra sy ny ekipany, hoy hatrany ireo dokotera sy mpisehatra amin’ny fitsaboana.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT