Fahasalamana

Fahadiovana sy fidiovana Lasa tsy laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy intsony


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Lasa tsy laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy intsony ankehitriny ny fahadiovana. Manomboka amin’ny fahadiovan’ny vatany izany, izay tena lehibe sy goavana indrindra ka hatramin’ny fanadiovany ny faritra misy azy sy ny ao an-tokantranony.

Tsy voatery rehefa mahantra na sahirana anefa dia maloto. Tokony hisy hatrany mantsy  ny vola natokana hividianana savony mba hahafahana midio. Ho an’ny any anaty fiara fitateram-bahoaka manokana dia tsy vitsy ireo velon-taraina fa betsaka amin’ireo olona miainga avy any an-tokantranony miakatra anaty bus no tsy misasa madio intsony. Mivoaka avokoa ireo karazana fofona rehetra nefa efa tena manorisory sy tsy azo hiainana ihany koa ny fitohanan’ny fiarakodia eny an-dalana sy ny hafanana. Sady manalabaraka vatana no miteraka fahasorenana ho an’ny manodidina ihany koa ny tsy fanadiovana ny vatana.  Tokony ho fantatsika anefa fa miteraka tsy fahasalamana eo amin’ny vatan’olombelona ny tsy fidiovana isan’andro. Manentsina ny mason-koditra tokony hivoahan’ny hatsembohana mantsy ilay tseroka mitambatra tsy afaka iny ka zary sorena sy tsy mahazo aina mihitsy ilay olona. Raha ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina dia indray mandeha isan’andro no tokony hidio na handro ny olona iray. Mety hahatratra in-telo anefa izany ho an’ireo miasa vatana be toy ny mpibata entana mba hialana amin’ny fofon’ny hatsembohana sy hanokafana ny mason-koditra. Marihina moa fa mbola kely ny ankizy dia efa tokony hozarina hahalala madio, toe-tsaina izay mitarika azy ho tia fahadiovana sy hitandro ny manodidina azy ihany koa. Santionany amin’izany ireo ankizy sendra anay ireto.

Sayan, 13 taona : Izaho mandro isan’andro. Izay no natoron’i Dadanay sy Neninay ahy. Rehefa manao gym anefa izahay any am-pianarana dia lasa in-droa isan’andro.

Ony, 15 taona : Tamin’ny tsy mbola nahalala aloha aho dia indray mandeha isan-kerinandro e ! Fa izao efa lehibe sady mifampizara amin’ireo namako koa dia efa isan’andro. Rehefa mifoha maraina iny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT