Efa ao Toamasina ny Sambo Mercy Ships

An’arivony no hisitraka fandidiana maimaimpoana


  • Zoma 02 Febroary 2024

Nigadona any Toamasina omaly 01 febroary 2024 ny Sambo Mercy Ships.

Hiantsona mandritry ny 2 taona ao an-toerana indray ity sambo goavana ity, hanatanteraka fandidiana "chirurgie" na fandidiana maimaimpoana, ka tsy ny mponin'ny Toamasina ihany no hisitraka izany, fa ny manerana ny Nosy. Hiantohan'ny tompon'andraikitry ny Mercy Ships hatramin'ny saran-dalana andehanana any Toamasina ho an’ireo marary sy ny mpanaraka azy, raha ny fanamarihana. Olona eo amin’ny 1 150 no kendrena hodidiana ao anatin’io, ka iantohan’ny Mercy Ships maimaimpoana ny fanafody. Maro ireo fandidiana atao toy ny hoditra mikainkona, hernie, sima, tongotra bingo, mivonto amin’ny tarehy, cataracte… Maro ny tombotsoa amin’ny fandalovan'ity sambo lehibe ity : toy ireo fitsaboana maro isan-karazany, ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa, ireo fihaonana ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena amin’ireo vahiny sy ny vahoakan’i Toamasina. Eo ihany koa ny fiofanana ho an'ireo mpianatra mpitsabo ao an-toerana, hoy hatrany ny fanazavana. Ny Mercy Ships dia fikambanana iraisam-pirenena nanomboka tamin'ny taona 1978 teto Afrika, ary efa nitsabo 10 volana teto Madagasikara izy ny taona 2015. Efa nanomboka ny novambra 2023 moa ny fisoratana anarana ; Omena antsika miandalana eto ny fandaharam-potoana sy fitsaboana rehefa mahavita fandaminana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, hoy ny fampitam-baovao avy any Toamasina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT