Fahasalamana

Edito Haingo ambony tsikoko lava


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Hifarana ity ny fampielezan-kevitra. Hiroso amin’ny fifidianana isika rahafakampitso. Samy nanao izay ho afany nanao

 

faradoboka ireo kandida efa nahavita ny anjarany. Nisy ihany koa moa ireo nisafidy ny hiandry ity tena andro farany anio. Nisy tamin’ireo kandida no tsy niala tamin’ny mahazatra fa nanohy hatrany ny fampisehoany ny tanjany sy ny fahafahana manolotolotra etsy sy eroa. Tsy asiana resabe intsony ny amin’iny fa izay no hitan’izy ireo fa ampy hanjonoana ny ankamaroan’ny Malagasy. Ho hita eo amin’ny 27 novambra. Somary nahagaga kosa ny fihetsiky ny filoham-pirenena hatramin’ny omaly. Ireo olompirenena sy mpanara-baovao indray no mahatsiaro ny tenany ho menatra raha nijery ny zava-misy. Ao anatin’ny fiafaran’ny fampielezan-kevitra ny tenany no tonga nitokana ny kianja manara-penitr’i Barikadimy ao Toamasina ary nanatontosa fandraisam-pitenenana izay hita ho mandrisika an-kolaka ny mpifidy hiandany amin’ireo kandidam-panjakana. Fa tsy tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny federasionina iraisampirenen’ny kitra ho an’ny faritra 22 ve moa ity ao Barikadimy ity ? Fa taiza ny filohan’ny FIFA ? Taiza ny filohan’ny federasionina Malagasy ? Tsy nisy andraikitra mafonjafonja kokoa tokony ho niandraiketan’ny filoham-pirenena ve omaly mba hanavotana izao fasahiranam-bahoaka izao ? Zary zatra haingo ambony tsikoko lava ny Malagasy ankehitriny ary aleo tsy asiana resaka intsony koa iny fiara vaovaon’ny filoha nahavariana omaly iny. Ny vahoaka mbola fadiranovana foana fa ny filoham-pirenena sy ny ekipany toy ny mbola manao fampihelezankevitra mandava-taona.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT