Fahasalamana

Drepanocytose – aretin’ny ra Ireo zaza latsaky ny 5 taona no tena lasibatra


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Ny 10 %-n’ny Malagasy amin’izao no fantatra fa lasibatry ny aretina faingosela na ny “drepanocytose”.

 

 

 

 Ny 2 tapitrisa hafa kosa no fantatra fa manana ilay “hemoglobine S”, karazana soritra kely ahitana taratra fa mety ho voan’ity aretina ity izy ireny. Telo volana ny zaza madinika indrindra tratry ny faingosela, hoy ny profesora  Rakoto Alson Olivat raha misy mihoatra ny 50 taona no zokiny indrindra. Tsy aretina  izy io fa toe-batana, efa azo hatrany an-kibo. Tsy ampy ra amin’ny ankapobeny ireo olona voany vokatry ny fahapotehan’ny selamena ao anatiny. Lasa mavomavo  ny maso sy ny  tarehy ary ny hoditr’ilay marary. Tsentsina ihany koa ny lalandrany madinika antony miteraka fanaintainana amin’ny vatana ankoatra ny fahapotehan’ny taova rehetra noho ny tsy fahatongavan’ny ra ara-dalàna any anaty. Anisan’ny paikady vaovao hampiasain’ny fanjakana hahafahana mitsabo ny aretina dieny mialoha ny fitiliana ireo zaza vao teraka rehetra, mialoha ny hamatorana ny tadim-poitrany. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina faingosela.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT