Ny 10 %-n’ny Malagasy amin’izao no fantatra fa lasibatry ny aretina faingosela na ny “drepanocytose”.
Ny 2 tapitrisa hafa kosa no fantatra fa manana ilay “hemoglobine S”, karazana soritra kely ahitana taratra fa mety ho voan’ity aretina ity izy ireny. Telo volana ny zaza madinika indrindra tratry ny faingosela, hoy ny profesora Rakoto Alson Olivat raha misy mihoatra ny 50 taona no zokiny indrindra. Tsy aretina izy io fa toe-batana, efa azo hatrany an-kibo. Tsy ampy ra amin’ny ankapobeny ireo olona voany vokatry ny fahapotehan’ny selamena ao anatiny. Lasa mavomavo ny maso sy ny tarehy ary ny hoditr’ilay marary. Tsentsina ihany koa ny lalandrany madinika antony miteraka fanaintainana amin’ny vatana ankoatra ny fahapotehan’ny taova rehetra noho ny tsy fahatongavan’ny ra ara-dalàna any anaty. Anisan’ny paikady vaovao hampiasain’ny fanjakana hahafahana mitsabo ny aretina dieny mialoha ny fitiliana ireo zaza vao teraka rehetra, mialoha ny hamatorana ny tadim-poitrany. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina faingosela.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.