Fahasalamana

Dr Tina Andrianarisaina « Ny tsy fampiharana fepetra no manaparitaka ny aretina »


  • Alakamisy 29 Aprily 2021

Maro ny marary, feno ireo tobim-pahasalamana, nisy ireo namana maty tampoka ary tsy fantatra izay nahazoana ny aretina....

 

 

Ny tsy fitandremana sy ny tsy fampiharana ireo fepetra samihafa no mahamaro ireo mitondra ny tsimok’aretina miriaria eny rehetra eny, hoy ny Dr Tiana Andrianarisaina. Manafina aretina ny marary satria matahotra hôpitaly. Raha tsimok’aretina (virus) no resahina, dia manomboka amin’ny fisian’ny tranga iray monja ny ady, ary tsy mifarana raha tsy foana tanteraka izany, satria haingana be ny fihanaky ny aretina, hoy ny fanazavany. Mahery vaika ny aretina, miafina endrika, ary mamono haingana. Tsy fantatra intsony izay soratr’aretina miseho voalohany, ka mamitaka ny maro, hoy ny Dr Tiana Andrianarisaina. Ny fitandremana no zava-dehibe, ho an’ny tena sy ho an’ny hafa, ary mila toe-tsaina mendrika izany,hoy izy. Ataovy fahazarana ilay manasa tanana, maka elanelana, miaro ny vava sy orona… Alamino ny fomba fiainana. Mivavaha isan’andro ho an’ny ankohonana, ny malagasy, ny mpitondra, ireo marary. Ataovy mafàna ny rano sotroina, ary aza alefa any amin’ny vava, orona, maso ny tanana. Rehefa eny an-dalambe, dia halaviro ny fitangoronana sy fisisihana, ny mandray tanana, ny mifanoroka. Notsiahiviny moa fa raha vantany vao mahatsiaro tsy metimety dia tokony hanatona mpitsabo fa tsy hanao dokotera tenany. Farany izay tsy kely akory dia manafatra antsika ity dokotera iray ity mba hahay hisaotra an’Andriamanitra mandrakariva amin’ny oxygène izay omeny isan’andro tsy vidiam-bola.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT