Fahasalamana

Dr Ratsimivony Jean Claude « Mila fitandremana ny fahasalamana rehefa ririnina »


  • Zoma 29 Mey 2020

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny, fotoana izay mampirongatra ireo karazan’aretina maro samihafa amin’ny andavanandro.

 

 

 

 Tsy azo hodiantsy hita ihany koa anefa ny coronavirus izay tena mamely olona maro eto amintsika ary efa nahafatesana olona roa, antony nanosika ny dokotera Ratsimivony Jean Claude eo anivon’ny toeram-pitsaboana JCR sy ny Centre Vaniala hanentana ny tsirairay avy mba tsy hanao antsirambina ny fahasalamany. Toro-hevitra nomeny ny tokony hitodihana amin’ny fitsaboana nentim-paharazana toy izay efa nahafantarana azy. Efa hatramin’ny ela izany no nisy raha araka ny fanazavany saingy nezahina notakonana tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpanjanan-tany teto amintsika. Ho azy ireo dia ny baume Fosa no tena hanentanany ny mpiara-belona amin’izao. Sady miaro amin’ny aretina coronavirus mantsy izy ity no mampitombo ny hery fiarovana ao anatiny ihany koa. Azo ahosotra amin’ny tanana izy raha araka ny fanazavany mialohan’ny hivoahana ny trano ary fofonina matetika. Azo hatao evoka ho an’ny fianakaviana ihany koa, arotsaka anaty rano mangotraka mba ho fiarovana amin’ny aretina... sy hisakanana ilay viriosy tsy hiparitaka amin’ny hafa raha sanatria ka voan’ny gripa na manavy na mikohoka. Mikasika ireo olon-kafa manao ity resaka fitsaboana nentim-paharazana ity moa dia nomarihiny fa tokony hanaraka ny fenitra izany satria fahasalamana no resahina fa tsy izay te-hanao akory dia afaka manao izany avokoa. Ho azy ireo manokana dia efa nahazoany alalana manokana avy amin’ny Ministera ny fampiasany sy ny fivarotany izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT