Dr Ratsimivony Jean Claude

"Mihena ny hery fiarovana vokatry ny fiparitahan'ny sakafo simika"


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2025

Betsaka ireo olona miaina anaty tsy fahasalamana amin'izao. Ankoatra ny aretin'ny

taovam-pisefoana izay tena manao ny hataony tokoa na ho an'ny ankizy na ny olon-dehibe dia mandripaka ihany koa ny aretin'ny tosi-dra...Nambaran'ny dokotera Jean Claude Ratsimivony fa vokatry ny fomba fiainantsika olombelona no mahatonga izany. Diso miparitaka loatra mantsy ireo karazan-tsakafo be akora simika hany ka tsy dia mihinana sakafo tena natoraly intsony ny olona. Any Sina any ohatra dia nohazainy fa efa mahavita mamorona atody tsy mila akoho ny sinoa ary azo hanina toy ny atody rehetra izany. Ny olana anefa hoy izy dia tsy hita ao anatin'ilay atody intsony ireo karazana hery sy otrik'aina tena ilain'ny vatana ka mampihena ny hery fiarovana anaty. Isan-taona hoy izy dia misy foana ny vanim-potoanan'ny ririnina saingy vokatry ny fihinanana sakafo be akora simika no tena mampirongatra ireo karazan'aretina mamely ny olona. Ho azy ireo ao amin'ny vondrona JCR Vaniala moa dia notsiahiviny fa tsy mitsahatra ny manao fikarohana izy ireo hahafahany mamoaka ireo karazam-bokatra vita amin'ny zava-boahary sy ny zava-maniry Malagasy entina hampiakarana izay hery fiarovan'ny olombelona izay.Efa misy ohatra amin'izao ny baoma Fosa ho an'ny ankizy 3 taona no miakatra azo hatao any am-paosy. Sady hahafahana miady amin'ny viriosy izy io nefa azo hahosotra amin'ny faritra mangidihidy, manaintaina, lanin'ny biby....Efa misy koa ireo karazana baoma azo sotroina sy ahosotra amin'ny tratra sy ny tenda...ho an'ny olon-dehibe.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT