Fahasalamana

Dr Pierre-Sans Firenena mahantra indrindra faha-5 i Madagasikara


  • Alarobia 31 Mey 2017

Vao 1 volana monja ny Dr Pierre-Sans manampahaizana manokana amin’ny fitiliana ny aretina « autisme » ary efa nahasoratra boky maro mahakasika izany no tonga teto Madagasikara araka ny fanasan’ny fikambanana Autisme Madagascar azy nanao fitiliana ireo voan’ny « autisme »

 

 eto amintsika ka naharay olona 73 teto Antananarivo sy tany Moramanga sy nanome fiofanana an’ireo dokotera mpitsabo Malagasy sy « paramedicaux » maro ary mpiasa amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ray aman-drenin’ankizy koa aza dia efa nahafantatra amin’ny ampahany an’i Madagasikara sy ny tontolony ka nahasahy nilaza fa firenena faha-5 eran-tany mahantra indrindra ity nosy Malagasy ity. Ny hanao « diagnostics » ankizy maimaimpoana ankizy Malagasy miisa 75 araka ny vinan’ny Autisme Madagascar dia mety ho azo atao ihany fa izay hoe hahazo « prise en charge » mitovy amin’izay azo any Eoropa dia tsy tokony honofinofisin’ny Malagasy mihitsy. Nambarany fa 1% ny olona voan’ny aretina « autisme » tsy azo sitranina eto Madagasikara. Noho ny mahalafo ny saram-pitsaboana atao amin’olona tratrany dia fanohanana ara-tsaina no nomena an’ireo fianakaviana sahirana Malagasy manana marary. Manahirana indrindra eto Madagasikara, hoy izy, ny fihinanan’ny marary fanafody fahatany sy fandidiana ORL fahatany ataon’ireo  mpitsabo Malagasy ireo voan’ny « autisme ». Ny hany mba nankasitrahako, hoy izy, dia ny tsy fanavahan’ireo sekoly ny zaza voan’ny « autisme » fa raisin’izy ireo tsara izay tena teboka goavana tokony hotazonina. Mbola hiverina tsy ho ela eto Madagasikara hanao ny fitiliana ataony ny Dr Pierre-Sans.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT