Dr Marius Ramaroson

«Zava-dehibe izao ny fanakanana ny fiparitahan’ny aretina»


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Rehefa betsaka na tondraka tahaka izay niseho nanerana ny nosy teo ny rano dia betsaka

ny rano miangona, hoy ny fanazavàn’ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Ireny rano miangona ireny, hoy izy, no hanatodizan’ny karazana moka. Ny aretina ho entina ireny dia eo ny azo avy amin’ny kaikitry ny moka. Eo koa rehefa tondraka ny rano dia miakatra an-tanety ny voalavo izay mitondra parasy. Mitondra aretina vokatry ny kaikitry ny parasy koa na pesta izany io. Ireny ilay antsoina hoe «maladie à transmission vectorielle». Ny aretin’ny moka tena misy eto moa dia ny «paludisme» na tazomoka. Misy koa ny hoe Chikongunia sy Dingue fa mbola tsy hita loatra aty amintsika. Mila mitandrina amin’ireny rano miandrona ireny ary ny mikasika ilay kaikitry ny parasy teo moa dia mila mitandrina amin’ny resaka atoditarimo. Ireny moa ilay hoe «maladie des parasites» fa isan’ny aretina mitranga rehefa toy izao koa ny azo avy amin’ny loto satria maloto ny rano tondraka. Aretina isan’ny vokatry ny loto ireny maso mena ireny, izay sokajiana anatin’ny hoe «maladie virale». Eo koa ny aretin-koditra na «maladie bactérien». Misy foana ny otrikaretina rehefa misy tondra-drano. Tsy maintsy andraikitry ny mpitondra moa rehefa ohatran’izao ny manangona ny olona traboina hiala amin’ny toerana iva fa vokatry ny fivorivoriana na «contacte physique» nefa dia betsaka koa ny aretin’ny lalam-pisefoana na «maladie du voix respiratoire» ary mora miparitaka ireny rehefa ohatran’izao. Enga anie tsy ho tonga amin’ilay karazana valanaretina na «virus» masiaka be fa mba ilay tsotra fotsiny! Eo koa ny aretin’ny lalan-kanina satria maloto ny rano dia maloto ny tsinay. Mandeha ny fivalanana sy ny namany. Zava-dehibe, noho izany, izao ny fanakanana ny fiparitahan’ny aretina satria aretina mora miparitaka be daholo no mety mitranga rehefa tondraka ny rano. Ny fitiliana ireo aretina ireo izany no tokony atao dia mazava loatra hoe eo aloha izany ny fikarakarana fahadiovana. Ao anatin’izany ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony na tsiranoka manadio. Apangotrahana ny rano. Asiana ireny akora manadio rano ireny koa ny rano ampiasaina ao an-trano na ilay antsoina hoe «additif». Ilaina diovina matetika ny vatana isorohana ilay areti-koditra sy ny tahaka izany, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas Faravohitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT