Fahasalamana

Dr Marius Ramaroson “Tsy te hieritreritra fihibohana indray aho”


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Efa nilaza aho, hoy ny dokotera mpitsabo, Marius Ramaroson, fa tsy maintsy hisy

 

 

ny andiany faharoa amin’ny Coronavirus. Efa nolazaiko koa fa vakisiny ihany no alaolana. Io andiany faharoa io, raha ny famaritan’izy ireo azy dia arakaraky ny isan’ireo marary tratra hoe miakatra indray ny isany. Somary manjavozavo ihany ny fomba fijery satria ny valanaretina dia tsy vitan’ny hoe mora miparitaka fa mety miova ihany koa rehefa any amin’ny olona. Fiovan’ny “génétique” ho lasa “virus mutant” no ilazana azy. Io faran’io ilay hoe mety ho mora miparitaka. Tsy voalaza kosa anefa hoe mahery vaika noho ilay taloha io. Mety ho mora miparitaka io fa tsy ho mahery vaika noho ilay taloha. izaho aloha tsy te hieritreritra fihibohana izany indray fa hoy aho hoe toy ny gripa rehetra dia ilaina ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana na “geste barrière” satria valanaretina no resaka. Mino aho, hatrany ny tenany fa tsy hiverina amin’izany fihibohana izany isika. Niaraha-nahita ny fijaliana tamin’izany fihibohana ka ilaina ny mitady fomba hafa, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT