Dr Marius Ramaroson

“Tsy maintsy mampitombo rarintsaina io korontana io!”


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Tsy maintsy misy fiantraikany any amin’ny sain’ny olon-drehetra io korontana misy eto amin’ny firenena io,

hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Tsy maintsy mampisy rarintsaina na “stress” io, hoy izy, ho an’ny tsirairay avy. Raha vao misy an’izay nefa ny vatan-tenan’ny olombelona dia efa mihena daholo ny hery fiarovany. Efa hita tamin’ny andron’ny COVID izany. Haingana kokoa ny fahafatesan’ny olona misy rarintsaina mitaha amin’ny olona tony. Eo koa ny fiovaovan’ny toetr’andro. Isan’ny mampitombo rarintsaina koa io. Tsara, noho izany, rehefa misy olona voan’ny gripa ao an-trano dia mba miverina manao ireo sakana ara-pahasalamana toy ny arotava, ny fanasana tanana amin’ny alikaola na “gel désinfectant” sy ny tariny, indrindra ireo zokinjokiny. Tsy aretina akory io mahatonga ny olona amin’izao lasa mora reraka io fa noho izay rarintsaina mitombo izay. Ny rarintsaina moa dia azo lazaina hoe horohoron-tsaina na “traumatisme” anaty fomba fisaina sy fiheritreretana. Tsapa ho tsy manana toe-tsaina hiady intsony ilay olona satria voadona ara-tsaina. Raha azo andosirana ny rarintsaina dia aleo andosirana. Raha tsia moa dia manatona mpitsabo. Indraindray io tsinona tsy vitan’ny vatanao dia aleo manatona mpitsabo. Tsy maintsy mampitombo rarintsaina io korontana io, hoy hatrany izy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT