Dr Marius Ramaroson

«Tsy ampy ny serasera momba ny vakisinin’ny Aromontana»


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Ny ady amin’ny fipariahana valanaretina na «virus» dia efa nandraisana fepetra foana hatramin’izay,

hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. 40 taona mahery aho izaho, hoy izy, no nisehatra tao anatin’ny fitsaboana. Hatramin’izay ka hatramin’izao, na Pesta io na Sida na nendram-boalavo na COVID na Aromontana dia efa misy hatrany ny fepetra noraisina mikasika ny fisorohana sy ady atao amin’izany (TTF: efa dinihin’ny akademian’ny mpitsabo na «académie de médecine» koa izao ny mahakasika ny Monkey pox na Nendran-drajako). Ny Aromontana izao efa nandeha foana ny famonoana alika faobe sy ny tahaka izany. Efa nisy teto foana koa moa io ary isany miady amin’izany ny «Institut Pasteur». Efa misy rafitra na «structure» mipetraka mihitsy noho izany anatin’ilay ady saingy maninona ary ilay izy no miparitaka, araka ireny vaovao malaza ao Toamasina ireny? Amin’ny ankapobeny dia resaka «virus» foana io satria io no manome ilay Aromontana. «Virus rabique» no filaza azy. Avy amin’ny alika moa no tena heritreretina hisian’ilay valanaretin’aromontana fa io nefa «virus» mandeha amin’ny biby mampinono sy minono toy ny saka, fosa, alika ary amin’ny alalan’ny rora no ifindràny ao aorianana kaikitra, ohatra. Tokony hanao vakisiny ao anaty 24 ora ny olona voakaikitry ny biby misy Aromontana. Io ilay vakisiny miady amin’ny Aromontana na «vaccin antirabique». Ny Institut Pasteur isan’ny mikarakara an’io. Tsy voatsabo ny Aromontana raha vao mipoitra fa mahafaty avy hatrany. Mamely be ny resaka «Virus». Tokony tsy avela hiseho amin’ny olona voakaikitra mihitsy ny Aromontana fa vantany vao voakaikitra izy dia mila sasàna amin’ny rano sy savony ilay faritra voakaikitra ary manatona ny sampam-pitsaboana miady amin’ny Aromontana avy hatrany na fara-faha tsy afaka, mpitsabo mahazatra. Tokony hamafisina io fampahafantarana momba ny Aromontana io fa izaho izao tao anatin’izay fotoana ela nitsaboana izay vao tena nahare hoe miparitaka be izany ao Toamasina. Tsy ampy ny serasera momba ny vakisinin’ny Aromontana sy ny fepetra ilaina raisina mialohan’izay rehefa avy voakaikitra ilay olona, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT