Dr Marius Ramaroson

«Tokony efa atao maoderina kokoa ny fitsaboana gripa eto!»


  • Zoma 12 Septambra 2025

Mbola anatina fotoam-piseraseràna isika amin’izao fotoana

satria moa mbola fialàntsasatra sy ny namany, hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Matetika adino ao anatin’izany, hoy izy, ny fiarovàna tahaka ny sasa-tanana amin’ny rano sy savony, ny arotava sy ny namany. Tsy miova ilay karazana gripa lasa hita ho tena miparitaka tao anatin’ity fiafaràn’iny ririnina iny. Matetika amin’ny fiafaràn’ny fahamaroan’ny serasera toy izao mihitsy no mahazo hery ilay «épidémie» na fifindràn’aretina. Miserasera ny olona dia mifanerasera koa ny aretina ary tsy ferana ao anatin’izay ny fitombony na «mutation» sy ny toy izany. Mitombo ilay «virulence» na fifindràn’ny viriosy rehefa maro io fifaneraseràna io. Ny tena loza dia tsy mifidy ilay aretina fa tratra daholo na lehibe na kely. Tsy misy fiarovàna ankoatran’ny arotava sy fanasàna tanana ary miala amin’ilay fifampikasohana raha azo atao. Tsy maintsy manatona Dokotera, ankoatran’izay, amin’ny resaka fanafody ilaina. Ny mahagaga dia isika mbola tsy tena mampiasa ny fanafody fisoroha gripa na «antigrippe» isika. Mbola tsy zatra mampiasa izany «Tamiflu» izany izao ny Dokotera malagasy. Ny any ivelany avy dia izany na «antiviral», izany hoe, fanamafisana hery fiarovana mihitsy no omen’ny mpitsabo. Tokony efa atao maoderina kokoa ny fitsaboana gripa eto! Maro nefa eto ny «neurologiste» na manam-pahaizana manokana momba ny aretina mifandray amin’ny loha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT