Dr Marius Ramaroson

«Tena samihafa ny loto tany amin’ny 1970 sy 1980 mitaha amin’ny ankehitriny»


  • Alarobia 13 Martsa 2024

Ny aretina mahakasika ny sofina sy tenda na ativava ary orona

no antsointsika hoe ORL, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Ankehitriny moa dia lasa voakasika koa ny maso, izany hoe, ORLO, hoy izy. «Ophtalmologie» no dikan’ilay «O» farany. Ny lalan-drivotra no mampifandray ireo rehetra ireo. Lojika raha manombana ny OMS amin’izao hoe ny 1,1 miliara amin’ny mponina maneran-tany no mety ho isan’ny marenina amin’ny 2050. Resaka loto eo amin’ny resaka feo eo na «pollution sonore». Io loto io no tena mahatonga aretina amin’ny lafiny rehetra. Tena samihafa ny loto tany amin’ny taona 1970 sy 1980 tany mitaha amin’ny ankehitriny. Isika mihevitra fa maoderina sy voasivana kokoa ny loto amin’izao nefa arakaraky ny maha manahirana na «sophistiqué» ny zavatra iray no maha lehibe ny fiantraikany ara-pahasalamana. Mila tandremana, noho izany, ny tsy hidiran’ny loto amin’ny orona, vava, sofina. Misy efa fetra izao, ohatra, apetraky ny OMS amin’ny resaka feo hoe izao «décibel» no mahatonga fikorontanan’ny faharenesana na «traumatisme sonore» dia tokony mba arahana izay. Ny olona tratry ny fipariahana aretina aty amin’ny orona tonga any amin’ny sofina na «infection» izany mba tokony misoroka ny fifampikasohana amin’ny hafa satria sady fiarovana ny tenanao izay no fiarovana ny hafa. Isan’ny ilaina ireny arotava sy arotanana ireny. Ny fiarovana manaraka moa dia ny fitsaboana rehefa sendra tratran’ilay aretina satria ny fitehirizana an’io aretina io dia miteraka fahasarotana be dia be ary mety hitera-doza ho an’ny hafa koa, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas etsy Faravohitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT