Dr Marius Ramaroson

«Resaka rarintsaina no mahatonga ilay hoe misalebolebo, mandoha…»


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Resaka rarintsaina na «stress» no mahatonga ilay hoe misalebolebo sy mandoha mihitsy nefa

tsy ahitàna soratra aretina hita ho mampitaraina mponina eto an-drenivohitra tato ho ato io, hoy ny fanazavàn’ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Miantraika any amin’ny hozatra, hoy izy, ilay saina mikorontana dia izay no mahatonga ilay maloiloy. Izay ihany koa no mahatonga ny Dokotera manome manezioma na «magnésium» ilay olona satria karazana fanafody miady amin’ny rarintsaina na «antistress» io. Matetika rehefa mihinana an’io ilay olona dia ohatran’ny mitony tokoa. Ny mikasika ilay hoe soratra aretina mitovitovy amin’ny COVID izay malaza be amin’izao ihany koa kosa dia toy ny karazana gripa ihany no fahitako azy. Manao fitiliana TDR ilay olona dia hoe tsy misy na «négatif» nefa ianao Dokotera mahita ihany hoe ohatran’ny menamena ny tendan’ilay olona. Misy otrikaretina ihany miditra any amin’ny lalandrivotra. Misy fitarainana heno mihitsy tsinona hoe maha sempotra ilay izy ary mety hahafaty. Ny heno efa ela ihany koa dia hoe misy karazana fifampitàna na «mutation» be dia be ilay COVID. Mety ho «négatif» hatramin’ny fitiliana ve izany? Izay ilay mampiahiahy satria tsy voafaritra io «mutation» io. Mila apetraka foana no dikan’izany ny fahamalinana dia ny arotava, ny fanasàna tanana amin’ny rano sy savony, fanasàna tanana amin’ny tsiranoka manadio sy ireny efa nampianarina hatramin’izay ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT