Dr Marius Ramaroson

«Mila mitandrina be amin’io resaka «virus» io»


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

Amin’ny maha nendra ny antsoina hoe nendran-gidro na «variole de singe» dia mipoitra aty amin’ny hoditra izany,

hoy ny Dokotera mpitsabo mitantana ny Klinika Saint Thomas Faravohitra, Dr Marius Ramaroson. Naman’ny aretin-koditra izany izy io, hoy ny fanazavany. Nendram-boalavo no efa fantantsika taloha na hoe «varicelle» no filaza azy. Ny «variole» kosa dia otrikaretina na «virus» fa mipoitra aty amin’ny hoditra. Mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana izy io, izany hoe mbola mipetraka foana ilay hoe serasera. Isan’ny mampifindra azy izany, ohatra, ny fifanorohana, firaisana ara-nofo, tsiranoka mifamindra sy ny marobe. Antony, noho izany, izany rehetra izany ilantsika tena mitandrina be amin’io resaka «virus» io satria miankina be dia be amin’ny hery fiarovan’ny olona foana ny maha mora voa na sarotra voa azy io. Ilaina, noho izany, ny fanaovana izay hampatanjaka ny tena, ny fanaovana tanana madio sy ny namany ohatran’ireny fepetra noraisina tamin’ny COVID 19 ireny ihany. Ny COVID moa mandeha amin’ny lalan-drivotra fa ity tena fifampikasohana ara-batana. Ny tena mampatahotra dia hoe mety miova tampoka ilay «virus» dia hanome «séquence» na zotran’aretina hafa fanampiny. Ny tsy hitoviany amin’ny COVID 19 aloha dia ny COVID 19 tonga dia hita hoe mahafaty. Ity mety mahafaty ihany fa mety latsaky ny 30% angamba ny taha mety hahatongavana amin’ny fahafatesana vokatry ny «variole» izany. Raha miisa 8 tamin’ny olona miisa 10, ohatra, no maty tamin’ny COVID 19 dia ity angamba 2 anaty 10. Manana ny antibiotika sy fanafodiny koa ny «variole de singe», ankoatran’ny fitsaboana azy. Tsy dia misy ifandraisany amin’ny resaka toetr’andro loatra io aretina io fa ny fifampikasohana no tena mila sorohana, hoy hatrany ity Dokotera mpitsabo ity. Tsiahivina fa hahamehana iraisampirenena na «urgence sanitaire mondial» moa amin’izao fotoana izao ny aretina «Variole de singe». Firenena afrikanina miisa 5 hatreto no fantatra fa efa ahitana ity aretina ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT