Fahasalamana

Dr Marius Ramaroson “Mety sokajin’olombelona tsy andaira-nendra-drajako isika”


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Mifindra amin’ny alalan’ny tsiranoka ny nendran-drajako na “variole du singe”? hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson.

Isan’ny fomba fiadiana aminy noho izany ny tsy fanatokatonan’olona misy zavatra mipoipoitra eny amin’ny vatana, hoy izy. Misy karazan’olona natao hahazaka an’io aretina io na ilay antsoin’ny siantifika hoe “réfractaire” nefa. Tsy ahitana fambaran’aretina io na mitondra ilay aretina aza. Mety sokajin’olombelona toy izany angamba isika malagasy. Voajanahary io. Tsy mitovy amin’ny Coronavirus hoe amin’ny alalan’ny rivotra fotsiny io fa tsiranoka any anatin’ny vatan’ilay olona dia sarotsarotra ihany ny hamaritra hoe efa eto ve za tsia fa raha ny tena marina fantatry ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka foana ny fisian’io raha misy. Mbola tsy misy eto io raha izay no notenenin-drizareo. Mila mailo fotsiny isika fa tsy atahorana io satria tsy mora miparitaka fa azo fehezina tsara. Ny Covid 19 moa dia matoa nohalefahana ny fepetra dia efa raisina toy ny gripa tsotra. Ny tokony atao dia ny efa natao hatramin’izay ihany. Manasa tanana, manao maska, mielanelana mba tsy hampiparitaka ilay aretina. Mbola mitombona foana ireny. Ny fihenan’ny herin’ny vatan’ny olona koa noho ny toetr’andro vokatry ny hatsiaka, ny sakafo tsy ampy sy ny zava-mitranga ireny dia isan’ny mahatonga aretina ka mila itandremana, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas ity.
J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT