Dr Marius Ramaroson

«Mety mahafaty ny aretina miparitaka, mila ampiana ny hery fiarovana…»


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Na ny aretina momba ny tratra na ny resaka Choléra na izay mety mahazo

ny maso sy ny lalan-drivotra satria mifanakaiky ihany ireo ary mety entin’ny lalan-drivotra any amin’ny kibo koa iny ka amin’ny ankapobeny dia azo heritreretina hoe aretina entin’ny tanana daholo ireo aretina miparitaka ankehitriny, hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Ny Choléra izao entin’ny tanana maloto fa isan’ny entin’ny tanana koa ireny COVID ireny, hoy izy. Ny fitaran’ireny dia mety mahafaty satria na io ho tonga any amin’ny lalan-drivotra, na tonga any amin’ny tsinay ary mety ho tonga any amin’ny tratra mihitsy. Miditra any amin’ny lalan-kanina io dia mety mahazo an’izay koa ilay maso. Izay no mahatonga an’ilay olona reraka. Ny aretina entin’ny rivotra moa dia mbola anatin’ny gripa ihany. Mila ampiana ny hery fiarovan’ny olona ary isan’ny manampy an’izany ireny vitamine C sy sakafo ara-pahasalamana efa fanaontsika nahazatra ireny. Mety mahafaty ny aretina miparitaka, mila ampiana ny hery fiarovana, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas ity namehy azy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT