Fahasalamana

Dr Marius Ramaroson “Mety hankarary an-doha koa ny fahapotehan’ny atmosfera”


  • Alarobia 11 Mey 2022

Tokony hiara-kiasa ny sehatra tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana amin’ny fijerena ny firongatra marina na tsia ny COVID 19 indray, hoy ny mpitantana ny klinika Saint Thomas Faravohitra, Dr Marius Ramaroson.

Sarotra amiko izao, hoy izy, ny hanamarina indray hoe izay tokoa ve no zava-misy sa tsia? Tokony mba samy manana fahafahana manao fitiliana na ilay “test antigenique” ny rehetra. Eo koa tsinona ny fahapotehan’ny atmosfera sy ny tontolo iainana ka mety hahatonga ilay hoe mararirary andoha. Mety ho ny toe-batan’ny olona mihitsy koa no lasa kely aina. Eo koa ny rarintsaina. Tokony mba zaraina maimaimpoana amin’izay ny fitiliana na “test Covid” fa hatramin’izao dia mbola vidiana 100.000 ariary ihany ilay izy. Ho an’ny zaza izao malaza ny Bronchiolite izay mety gripa tsotra no iatombohany dia avy eo midina any amin’ny tratra. Mety Covid koa izany. Tsy mitombona intsony ny fisian’ny atao hoe “Lymphocite T” izay taova miaro ny zaza tsy ho tratran’io valanaretina io satria efa lasa toy ny gripa tsotra na aretina andavan’andro ilay izy. Ankoatran’ny vakisiny izany dia tsy maintsy tohizana koa ny fampiakarana hery fiarovana samihafa. Ny hita aloha dia tsy mitovy amin’ny taloha intsony ny fisehon’ny Covid fa na any amin’ny fameloman’aina aza matetika avotra. Raha ataontsika hoe 10 no maty taloha dia tsy mihoatra ny 2 izany ankehitriny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT