Dr Marius Ramaroson

«Mahasoa ny atidoha ny misotro kafe»


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Diabetika hatramin’ny fahazazako aho, hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson,

ary raha fahazarana ho ahy ny misotro kafe tsy misy siramamy 2 hatramin’ny 3 kaopy isan’andro dia tsy hoe tafiditra ao anatin’ilay fitsaboan-tena akory izany fa voaporofo ara-tsiantifika fotsiny izay hoe mitondra soa ho an’ny vatana. Mahasoa ny atidoha, hoy izy, indrindra indrindra. Ny ahy izany izao ny diabeta amin’ilay sokajian’ny olona hoe toe-batana. Zava-nisy ny hoe kambana, ny iray lasa filoha tale jeneralina orinasa na PDG fa ny iray lasa pretra na «moine» any amin’ny monastera. Ilay PDG tratry ny diabeta fa ilay pretra tsy voa. Midika izany fa miankina amin’ny tontolo iainan’ilay olona koa no mahavoa na tsy mahavoan’ny diabeta azy. Ny olona matavy tafahoatra dia azo antoka fa ho voan’ny diabeta. Ny dikan’izany dia mila miala amin’ireo fisotro sy fihinana mety hampiasa mialoha ilay antsoina hoe «insuline». Isany ny toaka sy sigara. Mila mampihetsiketsika vatana koa izy na dia mandeha tongotra ihany aza. Mila mampihena vatana. Ny ahafantarana ny olona diabetika dia tia rano be izy na «polydipsie». 3P no tena marina dia hoe «polydipsie, polyurie, polyphasie», izany hoe olona mamàny matetika, misotro rano betsaka, mihinan-kanina betsaka. Mafy be tsinona ny tosiky ny rà ao aminy noho ilay siramamy dia mila rano matetika. Ambony be koa nefa ny ao anaty ràny dia manosika koa ilay ao anaty rà dia mamàny lava izy. Noho ilay tsy fahaizana mampiasa siramamy indray dia ohatrany lasa noana lava. Te hihinan-kanina nefa mora feno ny kibo. Mbola ambony tsinona ny siramaminao. Taloha ny fomba fijerin’ny olona azy dia hoe hitangoronan’ny vitsika ve ny amànin’ilay olona. Raha tangoronany tsinona dia mamy ilay izy no dikan’izay ka tsy mahagaga raha itangoronan’ny vitsika. Eo izany no ahitàna hoe misy diabeta ilay olona na tsia na misy tsy mety ity zavatra ity, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT